Revelation of John 16

1Nandre feo mafy niantso avy tao an-tempoly aho ary niteny tamin’ireo anjely fito hoe: “Mandehana ary araraho amin’ny tany ireo lovia fito feno ny hatezeran’ Andriamanitra.”

2Lasa ilay anjely voalohany ary nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny tany; ratra ratsy sy maharary no tonga tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia, ireo izay nankalaza ny sariny.

3Ilay anjely faharoa nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny ranomasina. Lasa rà izany, toy ny ràn’olona maty, ary maty ny zava-manan’aina rehetra tao an-dranomasina.

4Ilay anjely fahatelo nandraraka ny tao an-doviany tamin’ireo ony sy loharano, ary lasa rà ireo. 5Reko ny anjelin’ny rano manao hoe: “Marina Ianao_ilay ankehitriny sy taloha, Ilay iray Masina_ satria efa nitsara ireo zavatra ireo Ianao. (Fanamarihana: Ny antontan-taratasy sasany taloha dia mamaky hoe: “Marina Ianao, Tompo_ Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, satria efa nitsara ireo zavatra ireo Ianao.”) 6Satria ny ràn’ireo mpino sy mpaminany no nalatsak’izy ireo, dia nomenao rà ho sotroina izy ireo; izany no mendrika azy ireo.” 7Reko ny alitara namaly hoe: “Eny, Tompo Andriamanitra lehibe, ireo fitsaranao dia marina sy mahitsy.”

8Ilay anjely fahefatra nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny masoandro, ary nahazo alalana handoro ny olona amin’ny afo izany. 9Main’ilay hafanana be izy ireo, ary niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra, izay manana ny fahefana amin’ireny loza ireny. Tsy nibebaka izy ireo na nanome voninahitra Azy.

10Avy eo ilay anjely fahadimy nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny seza fiandrianan’ilay bibi-dia, ary nandrakotra ny fanjakany ny haizina. Nitsako ny lelany izy ireo nohon’ny fahoriana. 11Niteny ratsy ilay Andriamanitry ny lanitra izy ireo nohon’ny fahoriana sy ratran’izy ireo, ary mbola nandà ny hibebaka amin’izay vitan’izy ireo ihany izy ireo.

12Ilay anjely faha-enina nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny ony lehibe, ilay Eofrata. Noritina izany mba hanomanana ny lalana ho an’ireo mpanjaka izay ho tonga avy any antsinanana. 13Nahita fanahy maloto telo aho izay niendrika sahona mivoaka avy any am-bavan’ny dragona, avy any am-bavan’ny biby-dia, ary avy amin’ny vavan’ny mpaminany sandoka. 14Fa fanahin’ny demonia manao famantarana mahagaga izy ireo. Nankany amin’ireo mpanjakan’izao tontolo izao izy ireo mba hanangona azy ireo miaraka ho an’ny adin’ny andro lehiben’Andriamanitra Avo indrindra.

15(”Indro! Avy toy ny mpangalatra Aho! Sambatra izay miambina, miaro ireo fitafiany mba tsy hivoaka mitanjaka izy ary hitan’izy ireo ny fahamenarany.”) 16Nentin’izy ireo niaraka tany amin’ny toerana izay antsoina hoe Hara-magedona amin’ny Hebreo izy ireo.

17Avy eo ilay anjely fahafito nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny rivotra. Ary nisy feo mafy nivoaka avy tao an-tempoly sy avy tamin’ny seza fiandrianana, manao hoe: ‘”Vita izany!” 18Nisy tselatra, kotroka, kotro-baratra, ary horohoron-tany mafy_ horohoron-tany lehibe noho izay efa nitranga hatramin’izay nisian’olona teto an-tany, ka dia mafy izany horohoron-tany izany. 19Vaky ho fizarana telo ilay tanàna lehibe, ary rava ny tanànan’ireo firenena. Avy eo Andriamanitra niantso mba hahatsiaro an’i Babylona lehibe, ary nomeny izany tanàna izany ny kapoaka feno divay vita avy amin’ny firehetan’ny fahatezerany.

20Nanjavona ny nosy rehetra, ary tsy hita intsony ireo tendrombohitra. Nisy havandra vaventy, milanja eo amin’ny talenta iray eo, nidina avy any an-danitra ho amin’ny olona. Nanozona an’Andriamanitra izy ireo nohon’ny loza avy tamin’ny havandra satria tena mafy loatra izany loza izany.

21

Copyright information for PltULB